Ny antony fisian'ny orinasa sy ny tanjona tiana ho tratrarina

ny tanjona dia ny fahatratrarana ny fara-tampon'ny hatsarana ary entin'ny fikarohana ny fahatomombanana isaky ny fomba fanamboarana sy ny fatran'ireo akora mandrafitra ny fanafody.

Ny Iraka nankinina aminay

Ny hamokatra fanafody génériques manana marika, manara-penitra, azo antoka, mahomby ary takatry ny vola, mba hanomezana fahafahana ny marary sy ny mpanome tolotra ara-pahasalamana hanatsara ny kalitaon'ny fiainana manerana izao tontolo izao.

Ny Vinan'ny Orinasa

Lasa fitaratra manerantany amin'ny maha-orinasa iraisam-pirenena pakistanezy voalohany anay, amin'ny alalan'ny fametrahana fanevan'ny fahatomombanana eo amin'ny kalitao, ny fikarohana zava-baovao, ary ny fanoloran-tena ho an'ireo vokatra sy tolotra ara-pahasalamana aparitaka manerana izao tontolo izao.

Kalitao

Fitakiana ny hatsarana fara-tampony tsy misy fandeferana isaky ny fifangaroam-panafody.

Fikarohana zava-baovao

Ny fampiharana ireo teknolojia sy fomba fiasa arifomba indrindra.

Fahalalahana hahazo tolotra

Vahaolana ara-pahasalamana takatry ny volan'ny olon-drehetra.